Tanteraka ny Alakamisy 21 desambra 2023 lasa teo tetsy Ankorondrano ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo hajia vaovao :
- RADO na Georges ANDRIAMANANTENA
- Sokatra (endémique) miisa 5
Izany lanonana izany dia notronin’ireo olo-manan-kaja maro : Minisitrin’ny fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra , ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra, Atoa Tahina RAZAFINDRAMALO, ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Paositra Malagasy, Atoa Riana RASAMIMANANTSOA. Ireo Tale Jeneraly solontenan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny avy ao amin’ny Turtle Survival Alliance (TSA) ary ireo vahiny manan-kaja maro.
Ny takariva moa dia noravahan’ny asa kanton’i Rado izay nokaloin’ny Fanja ANDRIAMANANTENA sy ny Amboarampeo Faravohitra ary ny fivetsoana ireo tonokalon’i Rado.
Mipetraka hatrany ho fantson’ny fanapariahana ny kolotsaina sy harenan’i Madagasikara ny Paositra Malagasy hoy ny Tale Jeneraly Atoa RANARISON Richard, ka izany indrindra no anton’izao famohahana hajia vaovao izao.







