Lahatenin'ny Ministra
Taorian’ny haitrano nitranga ny alin’ny 15 Jolay 2020, dia toy izao ny lahatenin’ny Minisitra:
“Isan’ny voakasiky ny haitrano , nitranga omaly tety Antaninarenina ny biraon’ny « Direction Générale » ny Paositra Malagasy. Nandrava zavatra maro ny afo, iarahantsika mahita.
Saingy, tsy manakana ny fitohizan’ny asa sahanin’ny Paositra Malagasy izany, indrindra ireo adidy iantsorohany eto amin’ny firenena amin’izao ady atrehantsika amin’ny COVID-19 izao.
Ireo tolotra rehetra eto amin’ny Paositra Malagasy dia mitohy sy miodina hatrany , tsy misy fiatraikany amin’ny mpanjifa sy ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny Paositra Malagasy ireo faharavana nateraky ny haitrano.
Na anaty fotoan-tsarotra aza, miasa ho anao ny Paositra Malagasy, mandroso hatrany isika.”
RAMAHERIJAONA ANDRIAMANOHISOA
MINISITRY NY PAOSITRA, NY FIFANDRAISANDAVITRA
ARY NY FAMPIVOARANA NY HAITAO ARAKAJY MIRINDRA