Tsinjo Lavitra : 15 taona

Tsinjo Lavitra : 15 taona

Notontosaina anio 04/02/19 ny fanombohana ny fankalazana ny faha 15 taonan’ny Tahiry TSINJO LAVITRA eto anivon’ny Paositra Malagasy.

Fanentanana maro no nentina nankalaza izany manoloana ny biraon’ny Paositra Analakely.

Ankoatra ny lalao izay hahazoana loka maro dia misy ihany koa ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika “Goth et companie” izay hitohy anio tontolo andro sy rahampitso talata 5 febroary.

Nanao fanentanana sy fanokafana kaonty ihany koa ireo mpiara-miasa eto amin’ny Paositra Malagasy.

Nandritra ny fanombohana ofisialy dia nilaza ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy, Atoa RANARISON Richard fa manao fanamby ny hanatsarana hatrany ny tolotra hoan’ny mpanjifa ny Paositra Malagasy ary hiezaka ny hampitombo avo roa heny ny isan’ireo misitraka ny tombotsoa avy amin’ny Tsinjo Lavitra.

Ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera mpiahy, Atoa RATOZAMANANA Harinjaka , izay nisolo tena ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-Kajy Mirindra dia nilaza fa efa hita ny ezaka ataon’ny Paositra Malagasy amin’ny sehetray ny “fandraharahana ara-bola” ary mandrisika hatrany amin’ny fanatsarana ireo Tolotra sy Vokatra mba ho fampandrosoana ny Firenena.

Marihana fa niova endrika ny bokim-bolan’ny Tsinjo Lavitra ho fanamarihana izao faha-15 taona izao ary samy hisy hetsika fankalazana manerana ny Nosy ho amin’izao fankalazana.